FANDRAISANA ANDRAIKITRA

FANDRAISANA ANDRAIKITRA AMIN’NY FIARAHA-MONINA

« Aina vao ho an’ny tanàna »

Ho an’ny tanànan’i Ambatolaona dia nanamarika ny fiandohan’ny fihavaozana ara-toekarena tsy mbola fahita hatrizay ny fitsanganan’ny Orinasa Rova Caviar Madagascar. Mponina eo amin’ny manodidina avokoa ny 80% amin’ireo mpiara-miasa 300 izay miasa ao amin’ny toeram-pikirakirana akoran’ny Acipenser, tsy lavitra ny tanàna, sy ao amin’ny tobim-piompiana eny amin’ny farihy, eo amin’ny 15 kilometatra miala ny vohitra. Noho ny pôlitika anatiny izay miompana amin’ny fampiofanana mitohy omen’ireo mpampiofana matihanina dia mivoatra tsikelikely ato anatin’ny seha-pihariana izy ireo ary mahafantatra ireo karazan’asa mifandraika amin’ny fiompiana trondro, ny famokarana caviar, ary ny fivarotana izany. Ankoatra izay dia maro ireo tsena vaovao nisokatra teo an-tanàna mamatsy ny orinasa amin’ny akora fototra, fitaovana ary kojakoja sy entam-barotra samihafa.

HAMANTATRA BEBE KOKOA

FANDRAISANA ANDRAIKITRA AMIN’NY TONTOLO IAINANA

« Tantara marina, fandraisana andraikitra isan’andro »

Tamin’ny taona 2009 ny Rova Caviar Madagascar no efa nandinika sy nitady izay fomba atao hiarovana ny natiora sy ny haren-javaboahary manodidina azy. Ezaka voalohany natao tamin’izany ny famoronana ny fahazoan-dalana mikasika ny tontolo iainana (Permis environnemental), izay nampirahina tamin’ny bokin’andraikitra hentitra, ahitana ireo singa rehetra enti-mandrefy fahadiovan’ny rano miaraka amin’ireo masontsivana fizika sy simika. Ny zavatra rehetra izay atao eny amin’ny tobim-piompiana sy ny toeram-pikirakirana akora dia noezahina araka izay tratra mba ho kely indrindra ny fiantraikan’ny fiompiana eo amin’ny tontolo iainana, isan’izany ny fisafidianana ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fanorenana ireo trano fiasàna, ny fanamboarana ao anatiny ihany ny sakafo avy amin’ny fambolena eto an-toerana omena ireo esturgeons, ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro, ny fanamboarana ireo dobo misy an-tanan-tohatra na « bassin en mode gravitaire », ny fanodinana ny fako, ary ny andraikitra sôsialy tanterahina eo amin’ny sehatry ny orinasa (RSE).

HAMANTATRA BEBE KOKOA