Baerii Suprême

Andrana tsy manam-paharoa

Clear

Notsongaina ao anatin’ny sokajy “SUPRÊME “ ireo voana kaviara Baerii Rosianina tsara indrindra noho izy ireo tsy fahita firy no sady mamela tsiro ao am-bava mandritra ny fotoana maharitra, indrindra raha oharina amin’ny kaviara hafa. Rehefa ao am-bava dia manatosaka haingon-tsiro toa voanjo sy fofon-kazo malefaka ireo atody lehibe mafy sy mangirana, miloko volon-davenona mazava. Hankafy azy ity ireo mpankafy ny aingitrangitra sy haitraitran’ny sakafo tena miavaka sy ireo Mpahandro kalaza matihanina.

Any amin’ny vohitr’i Mantasoa, izay 1 400 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina, no misy ny dobo fiompiana trondron’ny Rova Caviar Madagascar. Mangatsiatsiaka ery ity farihy izay tafiditra ao anatina faritra arovana ity, ary tena mety amin’ny fiompiana ny karazan-trondro « Acipenser Baerii » an’i Madagasikara, izay taranaky ny kaviar fanta-daza rosianina ihany.