Baerii Impérial

Mitety tsiro

Clear

Notsongaina manokana ny sokajy “IMPÉRIAL” an’ny Rova Caviar noho ireo voany mainty mangirana, malefaka dia malefaka. Rehefa ao am-bava izy dia mamotsotra tsiro matavy toy ny dibera sy hero-dronono, ary mamela hamandoana amin’ny lela mandritra ny fotoana maharitra. Hankafy azy avokoa na ireo vao manomboka manandrana na ireo efa tena matihanina amin’ny kaviara.

Any amin’ny 1 400 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina no misy ny toeram-piompiana trondro hamokarana ny Rova Caviar Madagascar. Tena mety amin’ny fiompiana ny karazan-trondro « Acipenser Baerii », izay nampiasaina tamin’ny famokarana ny kaviara mampalaza an’i Rosia, ny rano madio mangatsakatsaka ao amin’ny farihin’i Mantasoa.