ILAY TANTARA MAHAFINARITRA
« Fanamby lehibe »
Nanomboka tamin’ny taona 2009 ny tantaran’ny kaviara teto Madagasikara.
Alexandre Guerrier, Christophe sy Delphyne Dabezies dia mpandraharaha frantsay telo monina eto Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 1990 ary nanam-paniriana ny hampivelatra ny sahanasan’izy ireo
Mpisehatra manokana amin’ny fanamboarana akanjo ho an’ireo Orinasan-damaody lehibe fanta-daza maneran-tany izy ireo, ary nanapa-kevitra ny hanao fanamby tsy manam-paharoa mifototra amin’ny maha-olona, ka namorona ny Acipenser, tobim-piompiana trondro esturgeons mba hananganana ny Orinasa Rova Caviar Madagascar.
HAMANTATRA BEBE KOKOANY FARIHIN’I MANTASOA
« Tontolo iainana voakajy ara-boajanahary »
Zava-maniry maitso mavana, voadidin’ny hazo kesika sy ala kininina, taratra ao anatin’ny farihy midadasika, no hita manangasanga rehefa tarafin’ny tara-masoandron’ny maraina rako-javona.
Ny fikapokapon’ny rano amin’ny fivohin’ny lakan’ny mpanjono iray sy ny tabataban’ireo voron-drano no injay manaitra tampoka ny fahanginana sy ny fitonian’ity toerana hafa kely ity. Eo afovoan-tanin’i Madagasikara no mifoha tsikelikely ny farihin’i Mantasoa…
HAMANTATRA BEBE KOKOAROVA CAVIAR MADAGASCAR
« Orinasa anaty fiaraha-monina mirindra miaraka amin’ny natiora sy ny zana-tany »
Taorian’ireo asa aman-taona maro dia novokarina tamin’ny 26 jona 2017, andro fankalazana ny Fetim-pirenen’i Madagasikara, ny “caviar” voalohany, ary nampitondraina ny anarana Rova Caviar Madagascar.
Ny « Rova » dia mampahatsiahy ny Lapan’ny Manjakamiadana izay mijoalajoala ery an-tampon’ny Renivohitr’Antananarivo; Mari-piandrianana izay nampiasaina hanamarihana ireo boaty fitoeran’ny « volamena mainty ».
HAMANTATRA BEBE KOKOA