Tena maha sarotiny anay ny fanajana ny fiainanao manokana mandritra ny fampiasanao ny tranokala rova-caviar.com, ary ataonay vaindohan-draharaha ny fanajana ny zonao momba ny fiarovana sy ny fifehezana ireo tahirin-kevitra momba ny tena manokana.
Aza misalasala manoratra amin’ny Rova Caviar Madagascar raha misy fanontaniana na fanamarihana mifandraika amin’ity pôlitika momba ny fiarovana ny fiainana manokana ity.
Ny fikirakirana ny tahirin-kevitra momba ny tena manokana ao anaty tranokala dia voafehin’ny Lalàna frantsay nivoaka tamin’ny 6 janoary 1878 (momba ny fiarovana ny fiainana manokana amin’ny fikirakirana tahirin-kevitra momba ny tena manokana). Ary nanomboka tamin’ny 25 mey 2018 dia nanampy ity lalàna ity koa ny Fitsipika eropeanina 2016/679 izay nanomboka nihatra tamin’ny 27 avrily 2016 (« GDPR »). Raha mila fanazavana fanampiny dia tsidiho ny tranokala : https://www.cnil.fr/fr.
Amin’ny alalanao mivantana, na amin’ny alalan’ny raki-kevitra ampitain’ny olon-kafa nomenao alalana hizara izany aminay, no hahazoanay ny raki-kevitra sy ny tahirin-kevitra sasantsasany momba anao manokana. Tsy misy mihitsy ny fakan’ny tranokala mivantana tahirin-kevitra momba ny tena manokana. Ny tahirin-kevitra kirakirainay dia tsy misy afa-tsy ireo raki-kevitra zarainao an-tsitrapo aminay, ohatra amin’ny alalan’ny famenoana ny fifanaraham-barotra ato anatin’ny tranokala, na amin’ny alalan’ny fifanakalozana mailaka ifanaovantsika.
Isan’ireo raki-kevitra angonina, ohatra, ny anarana, fanampin’anarana, adiresy paositra, mailaka.
Fitaovana fanangonana antontan’isa irery ihany no mety hanangona avy hatrany raki-kevitra hafa, toy ny adiresy IP anao na ny pejy notsidihinao, saingy hijanona ho tsy mitonona anarana hatrany ireo raki-kevitra ireo.
Ampiasain’ny Rova Caviar Madagascar ny raki-kevitra sy ny tahirin-kevitra momba anao manokana mba hikarakarana ny zavatra angatahinao sy ilainao nandritra ny fitsidihanao ny tranokalanay. Ilaina amin’ny fifanaraham-barotra no tena antony handraisana ny raki-kevitra sy ny tahirin-kevitra momba anao manokana :
– Handraisana an-tanana sy hikarakarana ny entana nofandrihinao/nafaranao,
– hamaliana ny fanaovan-draharaha nangatahinao, hiraketana ny fangatahana na ny fanontaniana avy any aminao ary hamaliana izany,
– hampahafantarana anao ny fiovàna eo amin’ny tolotra omenay,
– hizarana aminao ireo tsara ho fantatra rehetra nangatahinao, sy mety hahaliana anao (vokatra/entana, tolotra, sns.),
– ilaina amin’ny fikarakarana taratasy na raharaha hafa,
– hanatsarana ny tranokalanay sy ny asa fandraharahana ataonay,
– araka ny zonay sy ireo zavatra takian’ny lalàna aminay,
– hampiasaina amin’ny zavatra hafa mety hilàna azy, fa tsy maintsy mahazo ny fankatoavana mialoha avy any aminao.
Arahi-maso matetika ny vanim-potoana fanatontosana ny fitehirizana ny tahirin-kevitra momba ny tena manokana. Tehirizina ao anatin’ireo rafitra ampiasainay ny tahirin-kevitra momba anao manokana, raha mbola ilain’ny fandraharahana ifanaovantsika, na mandritra ny fe-potoana voafaritra ao anatin’ny fifanaraham-barotra nifanekena taminao.
Ny tranokalanay dia mampiasa « cookies » manokana, izay ilaina amin’ny fampandehanana azy araka ny tokony ho izy. Tsy ahafahana mamantatra anao manokana akory ny cookies ampiasanay. Ny tena antony ampiasana azy ireo dia ho fampandehanana ny tranokala, hanatsarana araka izay tratra ny fampiasanao ny tranokala, hahazoanay tsara ny zavatra mahaliana anao, ary handrefesana ny fahombiazan’ny votoatin’ny tranokalanay.
Ato anatiny ihany no ampiasana ny tahirin-kevitra momba anao manokana, ka noho izany tsy hisy mihitsy ny fanomezana na famarotana izany amin’ny olon-kafa na amina fikambanana mizaka zo aman’andraikitra misy ifandraisana na tsia amin’ny orinasanay. Ny tranokalanay ihany no voakasik’ity pôlitika ity, ka ampirisihina indrindra ianao mba hijery sy hamantatra ireo pôlitika manokan’ireo tranokala izay tsidihinao amin’ny alalan’ny tolotra ato aminay.
Tsy azo tanana ho tomponandraikitra ary tsy manaiky ho tompon’antoka amin’ny fomba fanao sy ny pôlitika ampiasain’ireo tranokala hafa tsidihinareo izahay, isan’izany ireo izay tsidihinareo miainga avy ato amin’ny tranokalanay.
Ankoatra izay, raha toa koa ka avy any amin’ny rohy tao anatina tranokala hafa no nahitanao sy nahatongavanao ato amin’ny tranokalanay dia tsy tomponandraikitra amin’ny fomba fanao sy ny pôlitika ampiharin’io tranokala hafa io izahay, ary mampirisika anao hijery sy hamantatra ny fomba fanao sy ny pôlitika ampiasain’io tranokala hafa io.
Azonao atao ny misafidy na hahazo vaovao avy aty aminay na tsia. Raha te hahazo vaovao momba ireo tolotra misy dia azonao atao ny mandefa mailaka na manoratra aty aminay ao anatin’ny tranokala. Tsy hampahafantatra anao ireo tolotra misy, amin’ny alalan’ny mailaka, paositra, antso an-tariby, na hafatra izahay, raha tsy mahazo fankatoavana mivantana mialoha avy any aminao. Azonao atao koa ny manova ny safidinao.
Rova Caviar Madagascar irery ihany no hampiasa ny tahirin-kevitra momba anao manokana. Na inona na inona miseho dia tsy hisy mihitsy ny famarotana na fampanofana izany amin’olon-kafa. Mety hisy fotoana hizarana ny tahirin-kevitra momba anao manokana amina orinasa mpiantoka asa (toy ny banky, mpiantoka asa amin’ny sehatry ny infôrmatika, mpiantoka asa mpamantsy entana, sns.) saingy ho fanatontosana ny asanay hatrany no hany hanaovana izany, ary tsy hivaona amin’ity fanambarana ity. Mety hisy koa ny fizarana izany raha misy “na amin’ny ampahany, ny fanananay na ny orinasa amin’ny olon-kafa; na raha misy fanovàna rafitra na fiovàn’ny asa fandraharahana ataonay; na raha voatery hanao izany izahay ho fanarahan-dalàna (ho fanatanterahana ny baiko avy amin’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny Fitsarana na ny tomponandraikitra mahefa); na ho fampanajana ny fepetra momba ny fampiasana ireo tahirin-kevitra ireo; na ho fiarovana ny zo, ny fananana, ary ny fandriampahaleman’ny mpanjifanay.
Nous conservons vos données principalement à des fins contractuelles, et les conservons le temps nécessaire pour atteindre les finalités mentionnées dans la présente charte. Il n’existe pas de délai universel pour la conservation des données. Rova Caviar Madagascar a le droit de les détruire ou les rendre anonyme pour qu’elles ne soient plus associées à vous.
Manan-jo hiditra ato anatin’ny tranokala mba hijery sy hahazo ny tahirin-kevitra momba anao manokana sy hahafantatra ny fampiasana izany ianao; manan-jo hanova, hamafa, hametra ny fikirakirana azy, hanohatra ny fampiasana azy, hampiasa izany amin’ny sehatra hafa, ary hanala ny fanekenao amin’ny fampiasana izany ianao.
Raha te hanova ny adiresy mailaka na izay mombamomba anao hafa aty aminay ianao, na raha misy diso ny tahirin-kevitra momba anao manokana, dia azonao atao ny mampandre anay sy manoratra aty aminay amin’ny adiresy e-boutique@rova-caviar.com.
Manan-jo hitondra fanitsiana na fanovàna amin’izay voasoratra eto izahay. Ny dika farany indrindra hatrany no hampiharina.